|
|
|
|

Teny iditra1 Tonon-taona mampanembona
Sokajin-teny  2 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  3 Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  4Dox
Lahatsiratra manontolo  5 Mihamandao, mihamisinda, ho dify izao ny fahavaratra...
6 Efa manga tolakandro ny lanitra tsindraindray,
7 Ary misy mahalankalana ny takariva soa tomaratra,
8 Ny alina tomefy kintana, ngaly, tony fehizay.

9 Efa isaina koa izany hanenoana kotro-baratra,
10 Tsy hita intsony ny eton-draratra mpambombambomba alahelo;
11 Ny sori-dalan'ny masoandro mihilana mianavaratra;
12 Efa mihamangoratsaka ny tara-bolana manelo

13 Tsy tsiaro loatra intsony ny evoky ny hafanana.
14 Akaiky dia ho vony vary, manatona ny fijinjana
15 Ka mihorakoraka eny ry zareo mpiandry fody.

16 Tonon-taona mampanembona ny ambanivohitry ny tena!
17 Mahatsiaro ery ny fo… ny an-kafa no jerena
18 Irery aty an-tanin'olona, manimanina te-hody.

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/13